22/01/2024
AZISPAM
MINAE-AZISPAM : Nihaona ho fanamafisana ny fiaraha-miasa
👉Nihaona tamin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RATOHIARIJAONA Rakotoarisolo Suzelin, ny fikambanan’ny Zootechniciens sy ny Injeniera miandraikitra ny Fiompiana sy ny Vokatra azo avy amin'ny biby eto Madagasikara na ny AZISPAM, ny 22 janoary 2024 tao Anosy.
👉Tonga niarahaba ny Minisitra tamin’ny nahatrarana ny taona vaovao 2024 ireo fikambanana eo anivon’ny AZISPAM ireo ary nirary soa ny amin’ny fahombiazan'ny asa sy ny andraikitra nahavoatendry azy.
👌Naneho ny fahavononana amin’ny fiaraha-miasa hanatanterahana ny paikady amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana sy ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana toy ny hena sy ny atody... ireto tonga nitsidika.
👉Marihina fa ny AZISPAM dia manana teknisianina maro manam-pahaizana ao anatin’izay sehatry ny fiompiana izay ka vonona ny amin’ny fiaraha-miasa. Misy ny paikady amin’ny fampiarana ny «agrégation», izay fomba fiaraha-miasa mahomby manampy ny tantsaha mpamokatra, sy ny vondron’ny mpamokatra eny ifotony ka vonona ny hifanolon-tanana ary manaiky ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Minisitera, ho fampandrosoana sy fampitomboana ny vokatry ny fiompiana.
👉Voaresaka nandritry ny fihaonana ihany koa fa ho jerena sy hohatsaraina ny lalàna mahakasika ny Fiompiana. Maro ireo tanora no te hisehatra hampiasa-vola amin’ny fiompiana, ka nanamafy ny Minisitra fa vonona ny amin’ny fanatanterahana izany ary hanampy ireo mpikambana.
« Tsy misy mihinam-bary tsy misy laoka », hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ka tsy maintsy ho tanterahina izay fiaraha-miasa izay satria miantoka ny fanjarian-tsakafo ny fisian'ny « protéine » azo avy amin’ny vokatry ny biby, ary dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.