27/09/2024
Nahita olona maromaro nandalo tety aminay aho io maraina io mitondra alika. Tsy misy mitondra rano zareo na ho an’ireo mpitondra alika na ho an’ireo alika. Ampitiavana no nitenenako hoe homeo rano ny alika fa mamay ny andro. Indrisy fa valinteny tsotra sady mazava no azoko hoe tsy mila misotro rano ny alika rehefa manao randonnée. Niala aho sady nihomehy.