30/03/2023
CHIEN DE PROTECTION - CHIEN DE GARDE
Mitombo be ny tahan'ny "insécurité" (tsy fandriam-pahalemana) amin'izao fotoana na eto andrenivohitra na any amin'ny faritra maro, ka maro ireo olona no mitady "chien de garde" na maniry ny hampianatra ny alikany hiambina sy hanaikitra.
1 - Raha chien de garde tena "opérationnel" no ilainao, dia ny tsara indrindra, anaty "LIGNÉE DE TRAVAIL" (manao mordant) no mifantina alika.
Ohatra amin'ireo alika efa misy eto an-toerana:
- Malinois (Berger Belge) Manomboka miroborobo sy mitombo ireo alika lignée de travail.
- Berger Allemand. Raha ny lignée d'exposition no tena mahazo vahana, dia misy ihany ireo lignée de travail.
- Rottweiler. Efa tena vitsy ireo lignée de travail.
- Doberman. Tsy haiko raha mbola misy lignée de travail izy ireo eto.
- ...
2 - Mety hahavita izay vitany ihany ny alika hafa, na mihoatra mihitsy, saingy miankina betsaka amin'ny kisendrasendra (hazard) izany.
3 - Mila fampianarana sy fanofanana ary fitaizàna manokana mihitsy ny chien de garde. Misy antanan-tohatra maromaro tsy maintsy lalovana mba hatratrarana ny tanjona.
Saino tsara, aza maikamaika rehefa haka alika. Resaho tsara ny "éleveur" ary ampahafataro azy ny momba ny tadiavinao rehetra. Tena manoro sy miresaka tsara izy ireny. Aza sodoka amin'ny "mora", "alefa maika", sns. Alika hiaraka hiaina aminao mandritra ny taona maro fa tsy fotoana fohy no alainao ka tsara raha mifanojo ny tia sy ny manina.
Mila fandraisana andraikitra avy aminao tompony, fa tsy anjaran'ny "éleveur" sy ny alika ary ny mpampianatra ihany ny fahazoana vokatra tsara.
Mirary soa. 😉