Vet-4H

Vet-4H Partage information et conseil. Tsy manao consultations en ligne

Dr Vétérinaire

Sakafo mahatsara volo ho ana Toto Adulte(+15mois).Entre 3600ar - 15000ar eo no lany isanandro arakaraky ny lanjan ilay T...
02/08/2024

Sakafo mahatsara volo ho ana Toto Adulte(+15mois).
Entre 3600ar - 15000ar eo no lany isanandro arakaraky ny lanjan ilay Toto
Sac de 3kg: 89900ar
Livraison GRATUIT à partir de 2 sacs 👜.

Raha mila torohevitra ara-tsakafo ho an’Tôtô sy Mimi dia aza misalasala manoratra. Tsy ara tsakafo ihany fa na ara pahas...
24/06/2023

Raha mila torohevitra ara-tsakafo ho an’Tôtô sy Mimi dia aza misalasala manoratra.
Tsy ara tsakafo ihany fa na ara pahasalamana ihany koa 😍

Bonjour papa sy maman an’i Tôtô sy mimi🐕🐈‍⬛🐕‍🦺🦮Torohevitra kely: havantsika koa ireny biby masisokely ireny 😍 mitovy ami...
19/06/2023

Bonjour papa sy maman an’i Tôtô sy mimi🐕🐈‍⬛🐕‍🦺🦮
Torohevitra kely: havantsika koa ireny biby masisokely ireny 😍 mitovy amintsika ihany izy ireny hoe mila manao fizaham-pahasalama matetika. Aza adino ary mitondra azy manao fizahana eny amin’ny Vet akaiky anao. Satria Aleo misoroka toy izay mitsabo.

Sady izy ireny tsy mba mahay miteny.

BIBY SALAMA SAINA MILAMINA
**********************************

🐾Bonjour, Parents d'Animaux de Compagnie! 🐶🐱

Un petit conseil pour vous aujourd'hui - les animaux de compagnie sont de la famille, et comme nous, ils ont besoin de contrôles réguliers. Gardez-les en parfaite santé en prenant rendez-vous annuellement chez le vétérinaire, car la prévention est le meilleur soin ! 🏥💉

Restez à l'écoute pour plus de conseils sur la santé des animaux de compagnie, et souvenez-vous, nous sommes toujours là pour vos bébés à fourrure.

Tsy maintsy mandeha véto ve? * Ny soritra aretina MITOVY dia mety azo avy amin'ny aretina samihafa. Ilaina noho izany no...
11/06/2023

Tsy maintsy mandeha véto ve?

* Ny soritra aretina MITOVY dia mety azo avy amin'ny aretina samihafa. Ilaina noho izany no mahafantatra izay tena mahazo ireo bibintsika mba ahafahana manome fitsaboana mifanaraka amin'izany.
Izany indrindra no tsara hanantonana véto satria ireo no efa nandalina manokana mikasika izany.
*******************************************************
Si votre petit compagnon à poils ne se sent pas bien, n'hésitez pas à consulter un vétérinaire ! 🩺💕

Des symptômes similaires peuvent avoir différentes origines, nécessitant des traitements spécifiques. Ce qui a fonctionné pour d'autres animaux ne fonctionne pas forcément pour le vôtre, voire pourrait aggraver la situation. 🐶🐱🩺

Assurez-vous que votre animal reçoive le bon traitement en recherchant une aide professionnelle. Une intervention précoce fait toute la différence ! 🙌💖

🐾❤️

Maninona tokoa no VOSIRINA (stériliser) ny bibintsika? 1/ mampihena ny mety ahavoazan'ny aretina maro toy ny aretin'ny t...
08/06/2023

Maninona tokoa no VOSIRINA (stériliser) ny bibintsika?

1/ mampihena ny mety ahavoazan'ny aretina maro toy ny aretin'ny tranon-jaza, omamiada'ny nono sy ny ankasarotana.
2/ Mampihena ireo mety toetra tsy tiantsika toy ny: fahasiahana, fialana ao an-trano, fipipizana eraky ny trano, sns.
3/ Misoroka ny ratra mety hateraky ny adiady amin'ny biby hafa.

Mbola maro fa ireo no tena miavaka.
Aza misalasala manontany raha mila fanazavana fanampiny.
**********************************************************
Les avantages de la stérilisation.
Santé et longévité : La stérilisation peut réduire le risque de certaines maladies, telles que les infections utérines, les tumeurs mammaires, les tumeurs testiculaires et certains cancers.
Comportement amélioré : La stérilisation peut réduire les comportements indésirables liés à la reproduction, tels que l'agressivité, les fugues, les marquages territoriaux et les vocalisations excessives.
Diminution des risques d'accidents : Les animaux stérilisés sont moins enclins à errer et à se battre, réduisant ainsi les risques de blessures par accidents ou lors de rencontres avec d'autres animaux.

N'hésitez pas à nous contacter si vous avez des questions.
Vet-4H

ALIKA TIA MANAIKITRAIKITRA ? Matetika ny alika manaikitraikitra kiraro, ondana, na izay fanaka misy ao an-trano. Mety mi...
27/02/2023

ALIKA TIA MANAIKITRAIKITRA ?
Matetika ny alika manaikitraikitra kiraro, ondana, na izay fanaka misy ao an-trano. Mety mitarika fahapotehana sy fahasimbana mihitsy aza.
Fantaro ary fa misy ny « spray anti –mordillement » entina misoroka izany kaikikaitra izany.

Hafatra miafina raha mila fanazavana fanampiny.

MARARYIreny bibintsika ireny, tsy mba afaka miteny hoe aiza no maharary azy. Matetika efa mihombo be ny aretina vao hita...
22/02/2023

MARARY
Ireny bibintsika ireny, tsy mba afaka miteny hoe aiza no maharary azy. Matetika efa mihombo be ny aretina vao hita soritra ety ivelany ny mahazo azy ireo.
Vao mampiahiahy, dia aza misalasala miantso ny veto akaiky anao.

MAHARARYMahatsapa maharary toa an-tsika ihany koa ireny bibin-tsika ireny. Mety maharary kokoa aza satry tsy mba afaka m...
07/02/2023

MAHARARY
Mahatsapa maharary toa an-tsika ihany koa ireny bibin-tsika ireny. Mety maharary kokoa aza satry tsy mba afaka manampy ny tenany izy ireny.
Vet-4H.

PARASY SY KONGONA?* Bibikely betsaka sy fahita matetika, manaikitra ny saka sy alika ny parasy sy ny kongona. Mangidihid...
06/02/2023

PARASY SY KONGONA?
* Bibikely betsaka sy fahita matetika, manaikitra ny saka sy alika ny parasy sy ny kongona. Mangidihidy manelingelina ny fiainan’ireo bibin-tsika izy ireny, no sady mety hiteraka aretina, na mamindra aretina maro.
* Ny kaikitry ny parasy ohatra dia mety hiteraka “allérgie” mahatonga hidihidy be, mety hampihitsana be ny volo. Mety mitondra otrik’aretina toy ny kakam-pisaka ho an’ny alika (Dipylidium caninum par exemple: le ténia), na koa ‘bactérie’ toy ny Bartonella ho an’ny saka.
* Ny kaikitry ny kongona indray dia mety hamindra ilay aretina mandoza no sady mahafaty toy ny: piroplasmose na babesiose. Ary mbola mety hitondra sy hamindra haretina hafa ihany koa.
* Tsy ireo ihany no bibikely manaikitra sy monina amin’ny hoditr’ireo sakaizan-tsika fa mbola maro, fa ireo kosa no tena fahita matetika sy betsaka.
* Marihina fa misy ireo fanafody na hoanina izany na ahosoto na hararaka, entina miady amin’ireo bibikely ireo, aza misalasala mandefa message raha mila fanazavana fanampiny.
Vet-4H

RAGE: HAROMOTANAAretina mifindra amin'ny olona ny haromotana, ary mahafaty. Ny vaksiny ihany no fiharovana tsara indrind...
22/01/2023

RAGE: HAROMOTANA
Aretina mifindra amin'ny olona ny haromotana, ary mahafaty.
Ny vaksiny ihany no fiharovana tsara indrindra, sady miaro ny alikantsika no miaro antsika ihany koa.

SAKAFO HO AN’NY TÖTÖ? Maro ny olona manana tôtô tsy manana fahafahana hividy “croquette”, ity ary misy fikafika kely met...
21/01/2023

SAKAFO HO AN’NY TÖTÖ?
Maro ny olona manana tôtô tsy manana fahafahana hividy “croquette”, ity ary misy fikafika kely mety mahasoa, sakafo vita ao an-trano ihany mety ho an’ny tôtô antsika.
• 1/3: hena, betsaka protéine toy ny nofon’akoho, na nofokena manta na masaka, araka ny hitiavany azy. Tsara ihany raha hampangotrahana kely fona ny hena mba hisorohana ireo tsimokaretina mety hankarary toy ny “salmonelle” sns.
• 1/3: Vary masaka, na cereal sans gluten masaka tsara ihany koa.
• 1/3: Légumes toy ny karôty, korzety, haricots verts.
Tsara asina menaka kely: eraky ny sotrokely isanandro ho an’ny alika 25 kilao. Huiles végétales no tena tsara.
Ny ahabetsany : 30g isaky ny iray kilao lanja velon’ny alika: ny alika 10 kilao ohatra dia omena 300g : 100g isaky ny karazny voalaza etsy ambony.
Omena in-3 na in-4 isan’andro ho an’ny alika kely, in-2 isan’andro kosa ho an’ny alika efa lehibe.
Ny SIRA be dia be dia tsy tsara ho an'ny alika. Misy ireo sakafo tsy mety ami'ny alika efa publié ato amn page ihany.

Zarao raha mety aminao mba ho hitan'ny hafa.

Dr. Vet-4H

RAHA HANANGANA SAKA KELY:  Ireto avy no tokony hatao: 1-Atokana toerana iray izy vao tonga ao an-trano, efitra tsy ngeza...
20/01/2023

RAHA HANANGANA SAKA KELY:
Ireto avy no tokony hatao:
1-Atokana toerana iray izy vao tonga ao an-trano, efitra tsy ngeza be, tsy be mpandalo, toerana mafana, misy hatoriany, misy kilalao lalaoviny. Atao ao ny litière, sy ny gamelle misy ny sakafony sy rano. Ny tanjona eto dia ny hanazarana azy hanao maloto ao amin'ny litière sy ho zatra ny toera-ponenany.

2- Rehefa zatra izy, eo amin ny 2 na telo andro eo, dia havela hizaha ny manodidina azy, sy ny hefitra rehetra misy ao an-trano, avela hizatra tsy kelikely ny toerana vaovao hiainany, sy ireo olona na biby hifanerasera aminy.

3-Tsy tsara mifanerasera amin'ny akoho ny saka kely mba tsy harary kibo vohan'ny "coccidiose", tsara ihany koa raha tsy avela hivoaka ny trano irery mba ho fiarovana azy mandrapaha lehibebe.

4- Omena sakafo Sahaza azy ny sakakely: mba ho feno ireo " besoins nutritionnels" afahany mitombo tsara ara-dalana. Misy sakafo spécial chaton eny amin'ny amin'ny mpivarotra.

5- Miomana amin'ireo vaksiny tokony hatao, sy odikankana tokony omena azy. Raha misy tsy fahatomombanana ara pahasalamana dia manantona n'a miantso ireo dokotera manana fahaizana manokana amin izany.

Vet-4H.

ZAVA-TSOA 5 AZO AVY AMIN'NY FANANANA ALIKA NA SAKA. 1- Manamafy ny hery fiharovana: ny fifaneraserana amin'ny saka sy al...
20/01/2023

ZAVA-TSOA 5 AZO AVY AMIN'NY FANANANA ALIKA NA SAKA.
1- Manamafy ny hery fiharovana: ny fifaneraserana amin'ny saka sy alika, dia manamafy ny hery fiharovan'ny tompony. Izany dia vokatry ny fifanakalozana "bacteries" amin'ny biby sy olona. Voaporofo fa ny fanana alika na saka dia mampihena ny mety ahavoazan'ny sery sy grippe.
2- Mahatonga ny olona ho tompon-andraikitra: ny fanomezana sakafo, fikarakarana azy amin ny lafiny rehetra dia andraikitra tsy maintsy sahanin'ireo manana alika na saka. Mampiroborobo ny " sens de responsabilité " indrindra eo amin ny ankizy ny fananana biby.
3- mampiena adin-tsaina (stresse): manala sy mampihena stresse ny fananana biby ao an-trano, tsy vitan'izay fa manala fahanginana ihany koa izy ireo raha sendra irery na malahelo ny tompony.
4- mitondra hafalina:
Mampiome, mahatsikaiky, sy mampitsikitsiky antsika foana matetika ny fihetsik'ireny biby ireny, na inona na inona miseho amin'ny fiainantsika dia eo foana izy ireny.

5- manosika antsika hivoaka sy haka rivotra: matetika ny alika dia mila entina mivoaka manao ny besoins, mila entina mande tongotra, manampy antsika haka rivotra izany ny fananana azy ireny.

Vet-4H

FIRY VOLANA NY ALIKA KELY NO TOKONY HATAO VAKSINY?Ny vaksiny dia miaro ny alika kely tsy ho voan'ny aretina maro isan-ka...
12/01/2023

FIRY VOLANA NY ALIKA KELY NO TOKONY HATAO VAKSINY?

Ny vaksiny dia miaro ny alika kely tsy ho voan'ny aretina maro isan-karazany. Mandritran'ny roa volana voalohany niainany izy ireo dia voaaron'ny "anti-corps" avy amin'ny reniny.

IRAY VOLANA SY TAPANY eo izany ny alika dia tsara ato vaksiny, mba hiarovana amin'ny aretina parvo. Rehefa feno 2 volana na mahery kosa izy dia efa afaka atao vaksiny fanefitry ny aretina maromaro (injection iray ihany fa miaro amin'ny aretina maromaro).

Rehefa feno TELO VOLANA, dia atao vaksiny fanefitry ny haromotana na "rage". Ary tsara raha averina ilay rage iray volana ao aorian'io izany hoe rehefa feno 4 volana ny alika.

Rehefa vita izany rehetra izany dia isaky ny erintaona no hanaoana ny rappel.

Marihana fa misy karazany maro ireo marika vaksiny, ary samy manana ny vidiny., Misy ny tsara toy ny marque NOBIVAC sns

Vet-4H

IREO KARAZANA SAKAFO METY HAPIDI-DOZA SY POIZINA HO AN’NY ALIKA.Maro ireo karazan-tsakafo mety hitera-doza sy mety ho po...
11/01/2023

IREO KARAZANA SAKAFO METY HAPIDI-DOZA SY POIZINA HO AN’NY ALIKA.
Maro ireo karazan-tsakafo mety hitera-doza sy mety ho poizina ho an’ny alika. Ohatra vitsy monja ireto manaraka ireto:
SIRA: ny finanana sira be loatra ho an’ny alika dia mety ho poizina ho an’ny fahasalamany indrindra raha tsy dia misotro rano ny alika.
TAOLANA MASAKA: diso ny fiheverana fa ny alika dia tsy maintsy minana taolana, ny taolana masaka dia mety potika sy maranitra ka mety handratra ny ati-vava na ny tsinay raha voatelina, ka mety ahafaty ny alika mihitsy aza.
TONGOLO GASY, TONGOLO: ny tongologasy sy ny tongolo dia mamotika ny sela men ana “globule rouge” ho an’ny alika.
TAPOTSIN’ATODY: ny tapotsin’atody dia misy singa antsoina hoe: “avidine” singa izay mamotika ny vitamine B8, vitamine tena ilian’ny alika.
RONONO: Ny rononon’omby dia betsaka “lactose”, singa izay tsy zakan’ny alika, ka mety hampivalana sy hampandoa azy.
CHOCOLAT: ny finanana Chocolat dia miteraka fikoron-tanana amin’ny fidoboky ny fon’ny alika, ka mety hitarika hatramin’ny fahafatesany mihitsy aza.

Raha mila fanazavana fanampiny, na sendra tafihinana an’ireo ny alikanao dia aza misalasala manantona toeram-pitsaboana, na manoratra aminay.

Vet-4H

PARVO. Aretina mpahazo ny alika ny Parvo. Azo avy amin'ny "parvovirus". Ireo zanak'alika na ireo alika mbola kely no ten...
10/01/2023

PARVO.
Aretina mpahazo ny alika ny Parvo. Azo avy amin'ny "parvovirus". Ireo zanak'alika na ireo alika mbola kely no tena tratran'izy ity, indrindra ireo alika 6 volana ka hatramin'ny 12 volana.
FISEHONY
-Malaina tsy mety misakafo
-Mandoha sy mivalan-drà.
-Reraka noho ny fahaverezan-drano be loatra.
FOMBA FIFINDRANY:
Mifindra amin'ny alalan'ny fifampikasohana mivantana na ankolaka amin'ny tain'ny alika marary ny parvo.
FISOROHANA SY FITSABOANA:
Aretina mahafaty ny parvo, koa raha vao miseho ny tsy fahasalamany dia entina haingana eny amin'ny toeram-pitsaboana.
Ny fiarovana tena mahomby indrindra dia ny VAKSINY.

ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO.

Vet-4H

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vet-4H posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Address
  • Alerts
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Pet Store/pet Service?

Share