Projet Zoloke-Asara Amboasary SUD

Projet  Zoloke-Asara Amboasary SUD Présenter les activités et résultats des équipes du projet ZOLOKE/ASARA Amboasary Sud

17/05/2022
17/05/2022
17/05/2022
21/07/2018

Ny tetik'asa ASARA izay vatsian'ny vondrona Eoropeanina vola dia mitady hatrany ny hampivoarana ny fiainan'ny tantsaha mpamokatra aty amin'ny faritra Atsimon'ny Nosy. Koa na dia efa an-dalam-pikatonana aza ny tetik'asa Zoloke ASARA dia mbola nikaroka ary nifanao sonia fiaraha-miasa tamin'ny PRACTICA Foundation mba hametraka foto-drafitr'asa rano fanondrahana izay mandeha amin'ny herin'ny masoandro na "forage irrigation avec pompage solaire". Voalohany eto amintsika izy ity ary amin'izao andrana izao dia fikambanana telo izay tohanan'ny tetik'asa Zoloke/ASARA eto amboasary Atsimo no nanombohana azy.
- Fikambanana SOAFIAVY ao Bevala CR Amboasary
- Fikambanana LOVAN'AINA ao Ankirikirika CR Behara
- Fikambanana SOAFIAVY ao Anapemba CR Behara

Notokanana ny 12 jolay teo ny foto-drafitr'asa 3 ary natolotra ireo komity mpitantana ny fitaovana fanondrahana.

Ny Pompe solaire SF2 dia natao hanondrahana velaran-tany eo amin'ny 0.4ha, afaka mamoaka 3.6m3/ora
Mba hampitomboana ny velaran-tany voatondraka dia nanamboarana fitehirizan-drano 2m3 miisa 3 miaraka amin'ny vovo iray.
Azo atao ihany koa ny manampy ny forage ary afindrafindra araka izay ilana azy ny paompy.

Ny sary no hanampy ny fanazavana, ary raha misy liana dia ireto ny fifandraisana:

forrage irrigation avec pompage solaire
21/07/2018

forrage irrigation avec pompage solaire

FIOMPIANA:Ny fiompiana dia mifandray hatrany amin'ny fambolena. Manana anjara toerana eo amin'ny Malagasy ny fiompiana. ...
21/06/2018

FIOMPIANA:
Ny fiompiana dia mifandray hatrany amin'ny fambolena. Manana anjara toerana eo amin'ny Malagasy ny fiompiana. Zava-dehibe ny fanomezana ireo toro-hevitra ho an'ny mpiompy mba hanaraka ireo fanatsarana mifanaraka amin'ny zavamisy. Nametraka koa ny tetik'asa ireo Mpiompy Mpanampy amin'ny asa veterinera mba hanampy amin'ny asa eny ifotony ka ho voara-maso hatrany ny fiompiana eny amin'ny fokontany tsirairay.
Ny tetik'asa Zoloke Asara dia mirary soa ho an'ny vahoaka rehetra manerana ny Madagasikara.l

FAMBOLENA: Zavadehibe ho an'ireo mpamboly ny toro-hevitra mba ahafahani'izy ireo mahaleo-tena amin'ny asa rehetra izay a...
21/06/2018

FAMBOLENA:
Zavadehibe ho an'ireo mpamboly ny toro-hevitra mba ahafahani'izy ireo mahaleo-tena amin'ny asa rehetra izay ataony.
Nanome fiofanana, nanentana ary niara nidinika tami'nireo vahoaka ny tetik'asa Zoloke Asara (AVSF, FAFAFI) Mba hanatsara ny fambolena izay ataon'izy ireo ary natao izany hifanaraka amin'ny zavamisy eny antoerana.
Teo ihany koa ny fametrahana sehatr'asa mifandray amin'izany : ny Toerana ahita masomboly sy fitaovana, ny mpiandraikitra ny mpamono bibykely mpanimba ny voly.
Ankehitriny dia nafindra amin'ny vahoaka sy ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny fanohizana ny fanentanana sy ny fampandrosoana hatrany ny fambolena. Ny tetik'asa Zoloke Asara kosa dia mirary soa ho an'ny vahoaka rehetra manerana ny Madagasikara.

NY RANO Omeo Rano ny Vahoaka, ilainy tokoa izany na amin'ny fampiasa ao antokatrano, na amin'ny fanondrahana ny voly ary...
21/06/2018

NY RANO
Omeo Rano ny Vahoaka, ilainy tokoa izany na amin'ny fampiasa ao antokatrano, na amin'ny fanondrahana ny voly ary ny fisotro ho an'ireo biby fiompy.
Rehefa nametraka ireo fotodrafitr'asa (toha-drano, paompin-drano isan-karazany) ireo ny tetik'asa Zoloke Asara (AVSF sy FAFAFI) dia namindra ny fitantanana ho eo anivon'ny vahoaka sy ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Ny tetik'asa kosa dia mirary soa ho an'ireo vahoaka rehetra manerana ny Madagasikara.

Notanteraina omaly 19 jona 2018 ny atrik’asa famarana ny tetik’asa ZOLOKE-ASARA, izay notanterahin’ny AVSF sy FAFAFI Man...
20/06/2018

Notanteraina omaly 19 jona 2018 ny atrik’asa famarana ny tetik’asa ZOLOKE-ASARA, izay notanterahin’ny AVSF sy FAFAFI Manatantely.
Nisy ny atrik’asa izay natao handinihana sy hametrahana ireo rafitra eny ifotony hanohy ireo zava-bita navelan’ny Zoloke-Asara.
Teo koa ny fanehoana ny zavabitan’ny tetik’asa nandritra ny fotoana niasany teto Amboasary Atsimo.
Nisy ihany koa ny fijoroana vavolobelona sy ffampizarana izay nataon’ireo Tantsaha nahazo tombontsoa mivaingana vokatr’ireo asa fanatsara amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana .
Eto dia maneho fisaorana antsika rehetra izay niara niezaka sy nahatontosa ny asa rehetra.
Misaotra antsika rehetra.

Zava-dehibe ho an’ny vahoaka eto Amboasary_atsimo ny Rano. Zava-dehibe ho an’ny AVSF Madagascar ny manatanteraka asa mif...
14/04/2018

Zava-dehibe ho an’ny vahoaka eto Amboasary_atsimo ny Rano. Zava-dehibe ho an’ny AVSF Madagascar ny manatanteraka asa mifanandrify amin’ny zavatra ilain’ny vahoaka. Nanangana fotodrafitr’asa ny tetik’asa zoloke asara ahafahan’ireo vahoaka mahazo rano.
Mirary ny tontolo ambanivohitra hatrany mba handroso amin’ny asam-pambolena sy fiompiana rehetra izay ataony

Ny tetik'asa ZOLOKE-ASARA dia mirary soa an'ireo vehivahy Malagasy rehetra. Fa araka ny fantatra dia zavadehibe eo ami'n...
08/03/2018

Ny tetik'asa ZOLOKE-ASARA dia mirary soa an'ireo vehivahy Malagasy rehetra. Fa araka ny fantatra dia zavadehibe eo ami'ny firenena ny fanomezan-danja ny hevitry ny tsirairay. koa manentena antsika rehetra ny tetik'asa mba ahay hifanakalo hevitra hatrany amin'ny fanatanterahana ny asa rehetra sy ny fandraisana fanapahan-kevitra miaraka.

Aujourd’hui, le projet Zoloke ASARA a organisé une cérémonie pour la sortie officielle des 20 MMAV « Mpiompy Mpananmpy n...
22/02/2018

Aujourd’hui, le projet Zoloke ASARA a organisé une cérémonie pour la sortie officielle des 20 MMAV « Mpiompy Mpananmpy ny ASA Veterinera », dans les communes du bas-Mandrare d’Amboasary Atsimo. Les MMAV, personnes proposées par la population locale, sont des agents de santé animale, formés et encadrés par le Vétérinaire sanitaire (VS), avec l’appui du projet. Ils assurent les traitements sur terrains avec les recommandations des VS.

la chenille légionnaire d'automne à Amboasary sud
22/01/2018

la chenille légionnaire d'automne à Amboasary sud

Ny tetik'asa ZOLOKE ASARA dia mirary taona feno fahasoavana ho antsika rehetra!!Ny mpamboly ahazo vokatra maro sy tsara....
01/01/2018

Ny tetik'asa ZOLOKE ASARA dia mirary taona feno fahasoavana ho antsika rehetra!!
Ny mpamboly ahazo vokatra maro sy tsara.
Ny mpiompy hitombo biby fiompiana.
Ny vahoaka ahita ny soa izay ezahany tadiavina.
Ho taona tsaroana amin'ny fahatsarana tokoa anie ity taona 2018 ity.
Mirary soa ho antsika rehetra!!!

Ny AVSF miasa eto Amboasary-Atsimo, izay mitondra ny anarana hoe «ZOLOKE» sy  «FAGNATSARA » dia faly mizara amin-tsika f...
23/11/2017

Ny AVSF miasa eto Amboasary-Atsimo, izay mitondra ny anarana hoe «ZOLOKE» sy «FAGNATSARA » dia faly mizara amin-tsika fa tontosa soa aman-tsara ny hetsika « SAFIRY MAHAVELO », izay nokarakaraina tao amin’ny kaominina ny Tsivory (Amboasary Atsimo), ny zoma 17 sy sabotsy 17 Novambra 2017 lasa teo.
Natao ny hetsika mba ho famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo Mpiompy Mpanampy ny Asa Veterinera (MMAV), sy fanolorana azy ireo fitaovana entiny manatanteraka ireo andraikitra nampitaina taminy, tao koa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivahy eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny fankalazana ny andro ho an’ny fanjarian-tsakafo.

Teo amin’ny fanatanterahana ny hetsika dia nandray anjara tamin’izany :
-Ny Fanjakana Malagasy : Nosoloin’ny Mera Tsivory, Ny tomponandraikitra ny fambolena sy fiompiana.
-ASARA : mpanohana ny tetik’asa, izay mifandray mivantana amin’ny vondrona eoropeana.
-CARE Amboasary : Nanamarika ny sehetra amin’ny fanjarian-tsakafo.
-Ny holafitry ny Veterinera eto Madagasika
-Dokotera Veterinera : Nampiofoana sy Mpiandraikitra ireo MMAV.
-MMAV : ireo Mpiompy nahazo fiofanana ka hiasa indrindra ami’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny biby fiompy eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
-Ny Vaohaka monina tao tsivory.
-Sy ny hafa izay tsy voalaza eto.

Maro ny hetsika navohitra nandritra ny lanona :
*Fiompiana : Fanalana soko, vakisiny
*Taokanto sy hafatra : hetsika marionety, tantara an-tsehatra
*Lalao ny mpianakavy : Fifaninana mamaly fanontaniana sy dihy isan-karazany

Koa mamerina fisaorana antsika rehetra izay nandray anjara sy nirary soa ny hetsika SAFIRY MAHAVELO ny tetik’asa ZOLOKE-ASARA sy FAGNATSARA.

Ary mirary soa hatrany ho atsika amin’ny adidy sy andraikitra izay tanterahan-tsika eo amin’ny tontolo ambanivohitra.

Address

Amboasary Sud

Telephone

+261340371822

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Projet Zoloke-Asara Amboasary SUD posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Projet Zoloke-Asara Amboasary SUD:

Share