21/08/2021
💪
Inona no ataonao rehefa manomboka reraka ny saina sy ny vatanao ?
Mba ahombiazanao dia niezaka ianao nifoha maraina, niezaka ianao nanao effort, niezaka ianao nandresy ny hakamona.
Indrisy anefa toa zava-poana ihany ilay ezaka nataonao, toa ny eo ihany ny eo. Matetika dia mametra-panontaniana ianao hoe sao mba izaho aza no ratsy vintana mihitsy kanefa dia efa manao izay azoko atao rehetra ao, efa nanantona mpanoro lalana maro aho fa toa tsy mety misy fiovana ny fiainako... 🤷
⭐ Ry namako, raha fahombiazana no tadiavinao dia tadidio fa tsy ny hafa no ampahomby anao,
tsy ny coach no ampahomby anao,
tsy ny namana no ampahomby anao,
tsy ny fianakaviana no ampahomby anao.
Saingy kosa raha manana faniriana miredareda ianao de mila manao pas à pas aloha, manaova ezaka kely androany dia ampitomboy rahampitso.
Eny, mety tsy mahavita anisaka tendrombohitra ianao, fa izao ry seh anh!
Ny fahombiazan'ny sasany dia tsy homeny anao izany fa rehefa tsy anomboka androany i seh de mijanona eo foana mandrakizay!
Fa kosa, androany ianao dia mijereva fitaratra fa io olona itanao io mihitsy no fahavalonao voalohany, io no mpifanandrina aminao.
🔸Kivy ve enao?
➡️Ianao ihany no mpifanandrina aminao
🔸Malahelo ve ianao?
➡️Ianao ihany no mpifanandrina aminao
🔸Very hevitra ve ianao?
➡️Ianao ihany no mpifanandrina aminao
🔸Amela ny ezaka efa natomboka ve?
➡️Ianao ihany no mpifanandrina aminao
Ry namako, aza manilika ny tsy fahombiazana any @ hafa fa raha te ahomby ianao androany de manaova ezaka.
Eny e, mafy ny miatrika ady fa i seh mila mafy noho ny rehetra,
eny e, mety lehibe ny fahavalonao fa fa i seh tsy mila mitsoaka.
Bitika ianao fa i seh mila fetsy noho ilay olana,
vizaka ianao fa i seh tsy mila mampiseo hakiviana.
Tadidio ry namana fa ny fahombiazana dia natao hoan'ny olona vonona hiady hatramin'ny farany fa tsy natao ho an'i olona be excuse.
Mazava ve?
Tsy ny excuse no ilaina androany.
Fa zao, apetraho ao an doha foana fa ny fahombiazanao dia miankina aminao ihany.
Aza avela ny tenanao ametraka limite eo @ fiainanao, raha misy zavatra tsy sahinao atao dia andao ho ataontsika indray androany.
Aza menatra fa andramo atao aloha, tsy ny olona mandatsa anao no henoinao fa ny ezaka kely sy ilay feo ao anatinao izay milaza fa ho tratranao io tanjona io.
Ry namako, IANAO NO VAHAOLANA AFAKA MAMPIOVA NY FIAINANAO fa tsy ny hafa ka ataovy ny safidinao.
life coaching
haja