27/09/2021
💌 ZARAINA AM-PITIAVANA FA MAHASOA NY MPIOMPY RRHETRA. MAMAKIA FINARITRA TOMPOKO
𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒉𝒐𝒆 𝒂𝒔𝒄𝒊𝒕𝒆 ?
Ny « ascite » dia tranga iray izay miseho amin’ny alalan’ny fiangonan-drano, miloko mavo, ao anatin’ny kibon’ireo akoho, izay matetika vokatry ny tsy fetezan’ny fo.
Mety ho hita io tranga io na any amin’ireo akoho mpanatody lava na any amin’ireo akoho fakana nofo, fa ity farany no matetika voa noho izy haingam-pitombo.
Ny iray ampahefan’ny fahafatesan’akoho fakana nofo maneran-tany dia vokatr’io « ascite » io avokoa. Amin’ny ankapobeny 4,7% ny andian’akoho nampidirina no voany, ary mety hiakatra hatramin’ny 15 na 20% izany.
𝑨𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒆𝒉𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒔𝒐𝒓𝒊𝒕𝒓’𝒂𝒓𝒆𝒕𝒊𝒏𝒂 ?
Eo ho eo amin’ny faha 5 herinandro eo no tena ambony ny taham-pahavoazana
👉Tsikaritra fa malaina hietsika ireo akoho ary mampiseho fahaseporana
👉Kely vatana (tsy mitombo) kokoa ireo akoho voan’ny « ascite »
👉Matetika misy rano ny kibon’ireo biby rehefa tsapaina
Marihana fa tsy azo 🚫 amidy ny henan’akoho voan’ny « ascite » noho izy sokajiana ho isan’ireo hena maloto na tsy mahasalama ireo mpihinana.
𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒓𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒏𝒚 ?
Matetika mitranga ny « ascite » rehefa tsy ampy na maloto ny rivotra iainan’ny akoho. Ireto avy ireo karazana rivotra maloto misy ao anaty tranon’akoho ka manepotra azy ireo :
🔎« Ammoniac » : entona vokatry fahamasahan’ny maloton’ireo biby ao anaty tranon’akoho (vokatry ny lafika mando lava sy tsy voakarakara)
🔎Setroka : ateraky ny famanana, indrindra ireo tsy misy famoahan-tsetroka (cheminée)
🔎Manampy trotraka ny fahasemporan’ireo akoho ny fihibohan’ny tranony : tsy fahampian’ny fanavaozana rivotra sy tsy fahampian’ny fisokafan’ny varavaran-kely
Mihamaro sy mihamafy kokoa ny tranga sy ny fahafatesan’ny akoho rehefa misy mikraoba, sy rehefa mafana na mangatsiaka ny andro.
🅕🅘🅐🅡🅞🅥🅐🅝🅐 :
Fanarahana an-tsakany sy andavany ireo fenitra mahakasika ny fiompiana akoho indrindra ny fandraisana ny akoho kely, toa ny : hafanana, ny hakitroka, ny fivezivezen’ny rivotra madio , ny fikarakarana na fanoloana ny lafika.
Source: FARMASHOP MADAGASCAR